23.12.2017

Ny fiainako tany Helsinki!

Mpanoratra: Estelle Raveloaritiana


"Iray taona lasa izay no tany Helsinki aho nianatra nandritr’ny efa-bolana. Faran’ny volana Aogositra aho no tonga tany. Roa vavy izahay no niara-nandeha tanya ry nanorana ny andro tamin’ny nahatonganay sady somary nangatsiaka raha nohoarina ny aty Madagascar.


Ny zavatra tiako tany?
Tiako daholo ny zavatra rehetra any Helsinki. Ny olona mahay mandray daholo. Ny tanana madio. Ny tena nahavariana ahy tanim’ny volohany ny ravinkazo izy niova lasa mavo sy mena daholo ny lokony. Nahavarina ahy sy tiako ireny indrindra rehefa mandeha fiara fitaterana iombonana.


Ny fiainana amin’ ankapobeny ve?
Tena nahafinaritra ny tany. Maro ny vahiny  tahaka ahy tany ary saika olona avy maneran’izao ntontolo izao. Ny fifanakalozana sy fampahafantarana ny zavatra misy avy any amin’ny toerana niaviny avy dia nahafinaritra sy nahafantarana zavatra betsaka.


Ny fianarana?
Ny fianarana tany amin’ny oniversite an’I Helsinki dia tena nahafinaritra. Nahafantarako zavatra be dia be ary nahafahako nifanakalo traikefa tamin’ny olona avy amin’ny firenena maro. Tena nanampy ahy betsaka tany nisafidy ny izay zavatra tena tiako ho lalinina any aoriana sy amin’izao fotoana izao.



Ahona no nianana an’ilay hoe lavitra ny tanindrazana sy fianakavina?
Ny lavitra fianakaviana dia somary nanosarotra kely. Fa nifantoka tsara tamin’ny fianarana tsara aho dia lasa tsy dia nalahelo ny havana sy ny namana taty Madagascar.

Hafatra: mampirosika ireo zandry aho tsy hatahotra ny handeha hianatra lavitra fa ahazahoana tombony betsaka. Tsara ny any Finland ary tsy ananenana ny mankany. Manentana ny mpianatra hanao an’ilay exchange program fa mahasoa be."







Misaotra betsaka i Estelle fa nanotra aty amin'ny bilaogiko! <3




11.9.2016

Mitantara Sarah ahoana ny fiainana aty Helsinki

Ny volana Janoary 2016 aho no tonga teto Helsinki. Sahirankirana aho tany am boalohany satria avy hatrany dia notsenanin’ny hatsiaka sy ny andro maizina dia tena namolaka be mihitsy. Rehefa nandeha teny anefa ny fotoana dia zatra teny ihany e :) Niara nipetraka tamin’ny ankizy mpianatra hafa aho izay teratany Bresiliana. Nahafinaritra ny fiaraha moninay na dia maro aza no misedra olona eo amin’izy io noho ny fomba amam-panao izay samy manana ny azy sy ny “feeling” izay tsy voatery hitovy. Fianarana koa anefa ny fiainana ka dia manao izay marimaritra iraisana hatrany rehefa misy ny tsy fitovian kevitra.


Ny nahafinaritra ahy...

Tena milamina ny fiainana ao Helsinki na dia lafo aza! Tsy dia misy rotoroto loatra na eo amin’ny resaka fitaterana na eo amin’ny resaka fianarana. Ny tanàna sady madio no milamina, tsy mampitaintaina ny mandeha eny amin’ny arabe na atoandro na alina ary io no tena anisany naha tàmana ahy ;-), ny fandriam-pahalemana.

Ny Finlandais dia olona tsotra ary “sincère”. Manana fiainana mitokatokana zareo fa nefa rehefa mila fanampiana ianao dia tena manampy izy ireo.

Mahafinatra ihany koa ilay antsoina hoe “sauna” na dia natahotra kely ihany aza tany am boalohany :) 

Mahafinaritra ilay mahafantatra sy minamana amin’ny ankizy avy amin’ny firenena samy hafa. Nanana namana bresiliana, italiana, koreana, sinoa ary finlandais aho nanodidina ahy. Mahavariana ny maheno azy ireo mitantara ny kolontsaina sy ny fomba amam panaony avy.

Momba ny fianarana...

Mahafinaritra ny fomba fampianarana tao amin’ny Oniversite an’ny Helsinki. Nanamarika ahy loatra ny tena fandraisan’andraikitry ny mpampianatra rehefa tojo olana ny mpianatra, hita avy hatrany hoe tena manana antso ho amin’izany izy ireo satria tena tsy mikely soroka manampy rehefa misy zavatra tsy azo eo amin’ny lesona na olana eo amin’ny resaka fianarana, tena azo ifampiresahana tsara. Ny resaka “documentation” sy ny aterineto dia tena manampy betsaka amin’ny fianarana ihany koa. Afaka mampiasa izany avokoa ny mpianatra rehetra.

Ireo nanahirana ahy...

Voalohany, somary sahirana aho teo amin’ny resaka sakafo satria tsy dia tiako loatra ny sakafo teo an toerana. Rehefa te hanova sakafo dia mandeha any amin’ny unicafe izay trano fisakafoanana an’ny oniversite.

Ny ankabeazan’ny zavatra atao dia efa ilay hoe “en ligne” avokoa. Tena manampy ilay izy amin’ny lafiny iray fa indraindray mankaleo satria toa lasa tsy miaina natoraly intsony ny olombelona fa voafatotry ny teknolojia.

Fianarana hoy aho ny fiainana, ka na dia nisy aza ny zava tsarotra nanahirana dia manefy ho amin’ny ho avy avokoa ireny rehetra ireny ary mampitombo fahalalana sy fahamatorana...!


Kiitos Nina :) 

31.1.2016

Mpianatra gasy taty Helsinki

Manahoana daholo ny any Madagasikara!

Aty aho aty Helsinki! Ity misy interview kely miaraka amin'ny mpianatra gasy.  Nianatra efatra volana aty i Narindra. Mahafinaritra be! :) 


Fa maninona no avy mianatra aty Finlandy ianao?

"Tonga mandrato fianarana aty aho satria malaza eran-tany Finlandy amin’ny resaka fintantanana ny ala sy ny zavaboary. Malaza iany koa fa ny universitén’i finlandy dia manolotra fianarana tsara kalitao sady feno hoan’ny mpianatra, ka mba te hahita sy hianatra ary hahazo tombotsoa amin’izany ny tenako mba entina hampandroso an’i Madagasikara."

Ahoana ny fianarana any Oniversiten’i Helsinki?

"Mahafinaritra ny mianatra ao amin’ny oniversitén’i Helsinki, ny mpampianatra mahay mampianatra, sady tsotra no mora ifanakalozana. Manarak’izany ny fitaovana ianarana ao koa tena raitra daholo ka tena manamora ny fianarana."

Aiza no mipetraka ianao? Ahoana ny trano?

"Ato amin’ny tranon’ny mpianatra eto Kamppi (aty am ville), adiresy Pohjoinen Rautatienkatu 29 A 315 ao no mipetraka, ny trano aloha antonony ny habeny e! fa tokony nisaraka ny trano fatoriana!"

Tsara ve ny sakafo? Mihinana inona?

"Ny sakafo aloha tena manahirana e, tsy hoe ratsy fa mety tsy mahazatra angamba e, mihinambary ihany matetika de asiana légume na trondro na hena tsindraindray, lafo be ny trondro sy hena aty Helsinki!"

Ahoana ny olona finlandais? Ary ny teny finnois?

"Ny finlandais aloha olona tsy be resaka e, raha tsy oe mamo, sady otran’ny tsy de tia tabataba ny fahitako azy, tia mitokatokana iany koa, nefa refa tena minamana aminy ianao tena mahafinaritra sady tsotra ry zareo. Nianatra teny finnois ihany aho fa saingy tena sarotra aloha ilay izy fa lainga lainga e, mba rehefa mahay kely dia efa mankasitraka e!"

Ahoana ny fiainana aty Finlandy? Misy zavatra hafahafa ve be?

"Ny fiainana amin’ny ankapobeny aloha milamina e, fa raha ny oe vidimpiaianana ndray dia tena faran’izay lafo. Ny zavatra hafahafa itako aloha dia ny fanaovana Sauna miaraka amin’ny fianakaviana e, itako somary hafahafa, eny e, mety amin’ilay kolontsaina tsy mitovy ngamba e!"

Mbola misy zavatra hafa tianao lazaina fa te hiteny ianao?

"Mahafinaritra i Helsinki, ny  Université koa tena raitra, ny mpianatra sy ny mpampianatra mahafinaritra, ny fiainana sy ny fianarana tsotra sady mahafinaritra no milamina, koa manentana ny mpianatra eran-tany fa indrindra ny malagasy mba hoavy andrato fianarana aty Helsinki, Finlandy.

Mankasitraka anao Nina."


Wohoo! Misaotra betsaka aminao, Narindra! :)

27.3.2015

Iray taona

Coucou daholo! Mbola aty aho :)

Manoratra androany aho, satria tamin'ny iray taona nandeha nody. Niteny veloma Madagasikara, salama Finlandy. Aty ny namana tany Ivato tamin'ny 27 marsa 2014 (sary 1).

Sary 1. Ny namako gasy tany Ivato tamin'ny iray taona!
Mandeha tsara ny fiainana aty Finlandy zao, fa mbola malahelo be amin'ny daholo any Mada. Te hiteny malagasy fa tsy misy olona fa miteny gasy aty. Efa nanadino be. Iza afaka manao Skype miaraka amiko?

Tsy mitovy ny fiainana aty. Tamin'ny 2014 nianatra be aho sy nandihy tany "spectacle musical" aho taty tamin'ny oniversiten'i Helsinki (sary 2 sy 3). Zavatra tsy nety tsony nieraka tamin'ny sipako, ary nihataka izahay. Malahelo kely aho manaraka fa tsara kokoa io, finaritra kokoa aho zao. :) 

Sary 2. Nandihy izahay... 


Sary 3. ...tany "spectacle musical"!




Fa efa taona vaovao zao, 2015. Ny 2ème semestre aty amin'ny oniversite zao sy tsy ela fa vita! Mbola manao memoire de licence aho fa rehefa vita, afaka manomboka M1. Efa nahita miasa aho amin'ny fahavaratra. Mbola mandihy aho koa satria avy ny 2ème musical aty amin'ny faculté des sciences naturelles (aiza misy jeografia koa).

Efa miandry aho fa avy ny fahavaratra, satria lava loatra ny ririnina..! Tsy tiako be ny oram-panala fa mbola avy sy avy sy avy.....tiako masoandro kokoa. :) Aty amin'ny sary 4 misy masoandro sy oram-panala. Angamba avy ny fahavaratra!

Sary 4. Kely sisa fa tsy mila akanjo mafana!
Finaritra aty aho, fa finaritra aho koa tany Mada. Tsy haiko manao inona manaraka, fa zao tsy maintsy vita ny fianarana. Efa nahita sipa vaovao, angamba...hihi!

Veloma mandrapihaona! Bisous be amin'ny daholo any Mada!

~ Nina



26.8.2014

Vita ny fahavaratra

Manomboka ny oniversite amin'ny rahampitso. Vita ny telo volana fa tsy nianatra aho. Nanao inona tamin'ny fahavaratra aho aty Finlandy?

Nangatsiaka be tamin'ny jona. Nisy orana be loatra sy +10-20 Celsius fotsiny. Nandeha nanao voyage kely izahay mieraka tamin'ny sipako. Nandeha tany Laponie (Lappi amin'ny teny finnois) izahay, tany Norvezy sy tany Sueda. Nahita ny Ranomasina Arctique tany avaratra. Nangatsiaka be ny rano!! Nisy masoandro foana tany satria fahavaratra. Tsy nisy alina fa mbola nisy oram-panala. Amin'ny sary 1,2 sy 3 afaka mahita ianareo.

Sary 1. Oram-panala tany Kilpisjärvi tamin'ny jona.

Sary 2. Ny Ranomasina Arctique tany Alta, Norvezy. 
Ny tendrombohitra tany Norvezy koa, tsy misy aty Finlandy.

Sary 3. Natory taty izahay. Ity sary ity tamin'ny 11 alina. Masoandro foana!

Tamin'ny jolay ny fiovana. Mafana loatra foana!! Nisy +30 Celsius isan'andro, tsy tsotra izany! Orana iray fotsiny tamin'ny jolay. Fa tsara be fa mafana! :D Afaka nanao zavatra be: nilomano, niazakazaka sns. Fa ny zavatra tsara kokoa: nisy mpamangy gasy taty!! Avy aty ny fianakavianako taiza nipetraka aho tany Madagasikara. Nandeha nijery ny tanana izahay, nihinana ny sakafo finlandais... nahafinaritra daholo! Faly be aho fa afaka niteny gasy koa. Wiiiiiiii :) Amin'ny sary 4 sy 5 afaka mahita kely ianareo. Fa tsy maintsy avy aty ianareo koa! Aza manadino les bourses any amin'ny présidence de l'université!!

Sary 4. Touristes be! Iza ny vazaha? Taty Helsinki.

Sary 5. Mafana loatra --> nandeha nanao kayak izahay! 
Ny Ranomasina Baltika ity.

Aogositra zao. Manomboka mangatsiaka kely. Avy ny orana koa. Mbola afaka mandeha bisikileta fa angamba tsy ela. Efa nandeha 360 km aho tamin'ny bisikileta tamin'ny fahavaratra! Tsy nila bus be. Tsy lafo sy ecologicale koa. Tsara! Misy lalana tsara ho amin'ny bisikileta aty Helsinki. Amin'ny alahady mandeha miazakazaka 10 km aho any "Helsinki Midnight Run". Misy olona 10 000 fa miazakazaka amin'ny io alina io.

Fa manomboka oniversite amin'ny rahampitso. Vita ny fahavaratra. Malahelo kely aho fa tsara manomboka mianatra koa! Mbola misy zavatra be fa tsy maintsy mianatra aho aty ;) Misaotra amin'ny daholo fa mamaky ity bilaogy ity!! Mazotoa nareo!

~ Nina


19.6.2014

Ny fifidianan'ny Vondrona Eoropeanina

Tamin'ny mey ny fifidianan'ny Vondrona Eoropeanina (VE). Taty Finlandy afaka nifidy izahay tamin'ny 14.-20.5.2014 sy 25.5.2014. Efa nahay izahay ny vokany tamin'ny alina 25.5. Te hanoratra kely aho amin'ny vokan'ny fifidianana. Mijery ny vokany aho aty Finlandy (sary 1) sy aty Vondrona Eoropeanina koa.



Sary 1. Finlandy sy Helsinki (ny renivohitra).
Ny vokan'ny Finlandy

Taty Finlandy nandeha nifidy 40,9% amin'ny olona ihany. Fa taty Helsinki (ny renivohitra ny Finlandy) 52,6% amin'ny olona nandeha. Misy olona 13 rehetra fa afaka mandeha any parlemanta'ny Vondrona Eoropeanina. 


Nandresy ny Kansallinen Kokoomus (Coalition Nationale, havanana izy ireo) sy faharoa ny Keskusta (Partie du Centre izy ireo). Misy olona telo sy telo fa mandeha any parlemanta. Ny Sosiaalidemokraatit (Parti social-démocrate) sy Perussuomalaiset ("Vrais finlandais") manana roa sy roa, ary Vihreät (Maitso), Suomen ruotsalainen kansanpuolue (Parti populaire suédois) sy Vasemmistoliitto (Parti gauche, havia) manana olona iray daholo.

Tsy misy vaovao betsaka amin'ny vokany, angamba nanao Perussuomalaiset ny tsara kokoa satria amin'ny 2009 nisy olona iray fotsiny. Nifidy amin'ny Maitso izaho, fa tsy nifidy aminy ny olona be dia be (Amin'ny 2009 nisy olona Maitso roa any parlemanta, zao iray fotsiny).

Ny vokan'ny Vondrona Eoropeanina rehetra
Sary 2. Ny parlemanta ny Vondrona Eoropeanina.


43,09% amin'ny olona daholo nandeha nifidy taty Vondrona Eoropeanina. Tsy betsaka, sa tsy ihany? Tany 28 izahay rehetra aty. Olona 751 afaka mandeha any parlemanta (sary 2). Any tany aiza misy mponina kokoa, afaka mandeha olona kokoa any parlemanta, ex. any Frantsa 74.  Ny fianjatoan'ny olona iza nandeha nifidy, ny tsara kokoa any Belzika sy Loksemborga (90%) satria tsy maintsy mandeha mifidy ny olona daholo any. Ny fianjatoana ny ratsy kokoa any Silaovakia, 13% fotsiny!!

PPE (Parti populaire européen) ny gropy ny lehibe kokoa any parlemanta  zao. Misy olona 221 any. Ny gropy faharoa S&D (socialistes et démocrates), miaraka amin'ny olona 191. Amin'ny sary 3 misy ny vokany daholo. Azafady tsy misy amin'ny teny gasy! 

Sary 3.  Ny vokan'ny fifidianan'ny Vondrona Eoropeanina.
Fa inona no vaovao any aminy ity vokany ity? Nisy olona betsaka fa nifidy tamin'ny gropy iza tsy tia ny Vondrona Eoropeanina betsaka. Fa mbola misy olona kokoa fa mieritreritra fa tsara be ny VE. Za koa, te hipetraka aty Eoropa aiza miasa izahay rehetra. 

~ Nina

Sary 4. Ny saina ny Vondrona Eoropeanina.



29.4.2014

Efa iray volana aty

Manahoana daholo!

Efa nanao zavatra be dia be aty izaho. Mbola tsy mianatra fa amin'ny roa herinandro misy fianarana iray aiza handeha aho. Ny anaran'ny fianarana "Moyen-Orient amin'ny sistema globaly". Miteny finnois izahay amin'ny fianarana. Efa nanomboka namaky ny boky amin'ny fianarana, satria 600 pejy ny boky (sary 1). Amin'ny teny anglisy ny boky, fa tsy maninona satria mahasondriana be!

Sary 1. Tsy maintsy mamaky ireo boky ireo amin'ny oniversite.

Avy ny lohataona koa, mahafinaritra mahita ny ravina amin'ny hazo daholo (sary 2). Tsy mangatsiaka loatra zao, anelanelany 10-15 Celsius! Rahampitso misy fety 1. mey, manaraka manoratra kokoa izaho. :)

Sary 2. Efa afaka mahita ny ravina kely!

Nanao fety malagasy koa mieraka amin'ny mpianatra jeografia (sary 3). Nahandro vary sy loaka sy mofo akondro aho!! Nahafinaritra ny fety sy nihaino mozika malagasy be dia be izahay. 

Sary 3. Ny fanomanana ho amin'ny fety gasy.

Malahelo foana amin'ny Madagasikara!! Afaka manoratra ve ianareo sy angamba avy aty? :) 

~ Nina